Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa Allah ilay avo Tsitoha dia niteny fa nandrara ny tsy rariny tamin'ny tenany Izy, ary nataony voarara ihany koa ny tsy rariny teo amin'ny zavaboariny, ka aoka tsy hisy hanao ny ratsy amin'ny hafa. Ary ny zavaboary rehetra dia niala amin'ny làlan'ny fahamarinana raha tsy izay nahitsin'Allah sy namaivaniny, ary izay mangataka izany amin'Allah dia omeny sy amaivaniny. Ary ny zavaboary dia mahantra eo anatrehany ary mila sy Azy amin’izay rehetra itadiaviny eo amin'ny fiainany, ary na iza na iza mangataka amin’Allah ny mba hanatanterahany izay rehetra ilainy dia ampy ho Azy Allah. Manota andro aman’alina izy ireo, ary Allah ilay avo Tsitoha no manarona sy mamela raha mangataka famelan-keloka Aminy ny mpanompo ny amin'izany ota izany. Ary tsy afaka manisy ratsy an’Allah na hanasoa Azy amin’ny zavatra rehetra izy ireo. Ary raha teo amin'ny fon’ny Olona iray manam-patahorana izy ireo, dia tsy hampitombo ny fahamasiana ao amin’ny fanjakan’Allah ny fatahoran' izy ireo. Raha naloto fitondran-tena tahaka ny fon’ny Olona iray izy ireo, dia tsy hanaisotra ny fahefany na dia kely ny fahalotoam-pitondrantenan'izy ireo. Satria malemy eo anatrehan’Allah izy ireo, mila Azy amin’ny toe-javatra rehetra, amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra, ary Izy no Mpankarena, ka ny Voninahitra sy dera ho Azy. Ary raha mijoro amin'ny toerana iray izy ireo, Olombelona sy ny Djinny amin'izy ireo, ny voalohany sy ny farany amin'izy ireo, nangataka tamin'Allah ka nanome izay nangatahiny ny tsirairy. Tsy nampihena ny harenan'Allah na dia kely aza, toy ny fanjaitra ampidirina ao anaty ranomasina dia avoaka avy eo, ka tsy hampihena ranomasina izany, ary izany dia noho ny fahafenoan’ny hareny, Voninahitra manokana anie ho Azy. Ary Allah dia mitahiry ireo asan'ny mpanompony ary manisa izany ho azy ireo, dia hamaly izany amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty. Koa izay mahazo valisoa tsara amin'ny asany dia aoka hisaotra an'Allah noho ny fahombiazana sy ny fankatoavana Azy, ary izay mahazo valin-kasa ratsy, dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany izay nitarika Azy ho amin'ny fatiantoka.