Rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL (R.A) any Yamen i Mpaminany (S.A.W) ho mpiantso ny olona sy mpampianatra , dia nohazavainy fa izy dia hihaona amin'ireo vahoaka Kristiana, mba hiomanany amin'izany, ka hanomboka ilay fiantsoana amin'ny tena zava-dehibe izay vao manarak'izany. Ka hiantso azy ireo amin'ny famolavolana ny foto-pinoana aloha, amin'ny alàlan'ny fijorona vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah, ary i Mohammad (S.A.W) no irak'I Allah; Satria amin'ny alàlan'ny fitenenana izany no hidiran'izy ireo amin'ny finoana silamo, ka raha nampanarahin'izy ireo fanompoam_pivavahana izany, satria ny fanompoam_pivavahana no adidy goavana indrindra aorian'ny finoana sy fanokanana an'I Allah. Ka rehefa tanteraka izany, dia nodidina ny mpanan_karena amin'izy ireo hamoaka ny Zakat amin'ny harenany haverina any amin'ny mahantra, ka norarany ny fakana harena ankoatr'izay, satria izay ihany no voadidy. Avy eo dia nanariny mba hiataka ny fanambakana, mba tsy hanaovan'ilay voambaka fangatahana ratsy ho azy, Satria ny fa,gatahana ataon'ny voamabaka dia mivaly avy hatrany.