Nolazain'ny Mpaminany (saw) ny anjara-toeram-boninahitra izay misy Azy eo anatrehan'i Tompo Allah, ary Izy tokoa dia tonga eo amin'ny toerana avo indrindra eny amin'ny faratampon'ny fitiavana, tahaky ny toeram-boninahitra azon'i Mpaminany Abrahama (A.S), Ka izay no nahatonga Azy tsy nanaiky afa tsy i Tompo Allah irery ihany no sakaizany, satria ny Fony dia rakotry ny fitiavana an'i Tompo Allah sy ny halebeany ary ny fahalalana momba Azy, ka tsy afaka mivelatra ho an'ny Olon-kafa intsony, Ka raha nanana sakaiza amin'ny zavaboarin'i Tompo Allah Izy dia i Abo Bakri (R.a) no mendrika ho lasa sakaizany. Ary nandrara ny fihoaram-pefy ny amin'ny fitiavana mifanohitra amin'ny lalàna tahakan'ny nataon'ireo jiosy sy ny Kristiana amin'ny fanajana ny fasan'ireo Mpaminan'izy ireo sy ireo Olona masin'izy ireo ka nahatonga azy ireo lasa nandray izany ho tompo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanompoana ankoatr'i Tompo Allah, ary nanamboatra toeram-pivavahana eo amin'ny fasan'izy ireo, ka izany rehetra izany dia efa noraran'i Mpaminany (saw) an'ireo vahoakany mba tsy hanao tahaky ny nataon'izy ireny.