Mampahafantatra ibn Mas'ond (R.A) fa i Mpaminany (S.W.A) nampianatra azy ireo toriteny fohifohy, ary izany dia tenenina rehefa manokatra kabary manao toriteny sy rehefa misy zavatra ilaina, tahaka ny toriteny atao amin'ny fanambadiana sy toriteny amin'ny Andro Zoma sy ankoatran'izany. Ity toriteny ity dia misy dikany lehibe, anisan’izany ny fanazavana ny zon’Allah amin’ny karazana fiderana rehetra, ny fangatahana fanampiana Aminy irery tsy misy mpiara-miasa, ny fanafenana ny fahotana sy ny fandavana azy, ary ny fialofana Aminy amin’ny ratsy rehetra, ny faharatsian’ny fanahy sy ny hafa. Avy eo nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahitsiana dia eo ampelatanan'i Allah, ka izay notarihiny amin'ny làlana mahitsy dia tsy misy afaka mamery azy, fa izay nariany kosa dia tsy misy afaka mampahitsy azy. Avy eo nilaza fijorona vavolom-belona mahakasika ny fahatokanan'i Allah Izy, dia tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary ny fijoroana ho vavolombelona momba ny hafatra fa i Mouhammad (S.A.W) dia mpanompon'Allah sy irak'Allah. Ary nofaranany tamin’ireto andininy telo ireo ity toriteny ity izay ahitana ny didy amin'ny fatahorana an’Allah ilay Tsitoha amin’ny alàlan’ny fanaovana ny didiny sy ny fiatahana amin’izay voarara ho fitadiavana fifalian'Allah, ary ny valisoa ho an’izay manao izany dia ny fanaovana asa sy ny teny tsara, famafana ny fahotana sy ny fahazoana famelan-keloka, ny fahazoana fiainana tsara eto amin’izao tontolo izao, ary ny fahazoana ny Paradisa amin’ny andro farany.