Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa dia misy karazany Enina, ary ny Olombelogna mizara Efatra. Fa ny asa Enina dia ireto avy : Voalohany : izay Maty ka tsy nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia lasa voadidy Aminy ny miditra amin'ny Paradisa. Faha-Roa : Izay Maty amin'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa na dia kely aza dia lasa voadidy Aminy avy hatrany ny miditra ao amin'ny Afobe. Izy roa ireo no antsoina hoe : Didy anaki-roa. Faha-Telo : ny asa soa nokasaina. Raha misy Olona mikasa ny hanao asa soa ary tena marina amin'ny fikasany mandra-pahatsapany izany ao am-pony ary fantatran'i Tompo Allah avy aminy izany fikasana izany, avy eo misy zavatra miseho Aminy ka tsy nahafahany manao izany, dia voasoratra ho hatsarana feno ho Azy ihany izany na dia mbola tsy Nataony aza. Faha-Efatra : Ny ratsy vita, izay Manao ratsy, dia fahotana iray ihany no hosoratana ho Azy manoloana an'izany. Izy roa : izay natao ihany no ho azony fa tsy misy fitombohany. Ary faha-Dimy : Ny asa soa iray dia mitombo folo avo heny, izany dia ho an'izay rehetra nikasa hanao asa soa ka notanterahiny; dia ho soratana hatsarana folo avy hatrany no hazony. Faha-Enina : Ny asa soa dia mitovy amin'ny asa soa fiton-jato, ary izay namoaka fanomezana iray monja amin'ny làlan'i Tompo Allah, ary izany asa soa izany dia voasoratra ho asa soa fiton-jato ho azy, ary izany dia avy amin'ny fahasoavan'i Tompo Allah sy fahalalahan-tanan'ny amin'ireo Mpanompony. Fa ireo karazan'Olona Efatra kosa dia ireto avy : Ny voalohany : Izay manana vatsy eto an-tany, ary voatahy amin’izany, dia mahazo izay tiany, saingy voafefy any an-koatra ary any amin’ny Afobe no alehany. Izany dia mpanankarena tsy Mpino. Ny faha-Roa: ilay tery ny fivelomany eto an-tany, nefa midadasika ho Azy izany any an-koatra, ary any amin’ny Paradisa no alehany, izany dia lazaina fa Mpino mahantra. Ny faha-Telo : Izay ory eto an-tany sy any ankoatra, izy dia lasa Olona mahantra sady tsy Mpino. Ny faha-Efatra : Izay manana eto an-tany sy ny any ankoatra, ary izany indrindra no lazaina fa Mpino manankarena. +