Nilaza i Mpaminany (S.W.A) momba an'i Abdollahy ibn Jad'àny, isan'ireo Olon-dehibe tamin'ireo foko koraishy talohan'ny finoana Islam. Isan'ireo asa soa nataony dia ny : manohy ny fihavanana amin'ny fianakaviana ary manao soa amin'izy ireo ihany koa, ary ankoatr'izay dia ireo asa soa izay namporisian'ny finoana Islam, Saingy ireo asa soa ireo mahasoa Azy amin'ny Andro farany, noho ny tsy finoany an'i Tompo Allah, ary Izy dia tsy mbola Niteny indray Andro hoe : Tompo o ! Mamela ny heloko amin'ny Andro fitsarana.