Niangavy an'ny dadatoany i Mpaminany (S.W.A) teo ampialan'aina mba hiteny an'ilay Teny hoe : Là ilàha illalloahou mba ahafahany hanelanelana Azy amin'ny Andro farany, ary ny mba hijorony vavolom-belona amin'ny finoana Islamo, nefa dia tsy nanaiky hijoro vavolom-belona Izy noho ny tahotra amin'ireo teny ratsy izay mety ho lazain'ireo foko sy firazanana Kouraishita ka mety hiteny Aminy izy ireo hanao hoe : Niditra Islam Izy nohon'ny tahotra amin'ny fahafatesana sy ny fahalemena fotsiny ! Ka Nilaza taminy i Mpaminany (S.W.A) : Raha tsy izany dia nampidiriko hafaliana tao Am-ponao amin'ny fitenenako ny Teny fijorona vavolom-belona ary ny tanjona izay tianao dia nomeko Anao, Nampidinin'i Tompo Allah ny andininy Soratra masina milaza fa tsy manam-pahefana amin'ny fampahitsiana Olona na dia iray aza ato amin'ny finoana Islam i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah irery ihany no manana fahefana ny amin'ny fampahitsiana ny Olona, fa ny an'ny Mpaminany (S.W.A) dia manoro amin'ny toro-làlana sy hitsin-dàlana sy fampielezana amin'ny làlana mahitsy ihany.