Nitarika vavaka maraina i Mpaminany (S.W.A) ny (Soalat) teo amin'ny hodaybiat - izy io dia tanàna ambanivohitra akaikin'ny Makka- taorian'ny Orana izay latsaka tamin'ny alina, Rehefa namarana ny vavaka izay nataony Izy, dia nitodika nanatrika ny Olona, avy eo nanontany azy ireo ka nanao hoe : Fantatrareo ve inona no lazain'ny Tomponareo ilay Avo Tsitoha ? Namaly izy ireo ny hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala sy mahafantatra, Niteny Izy ka nanao hoe : Nanambara mazava tsara i Tompo Allah fa mizarazara ny Olona eo am-pilatsahan'ny Orana : Misy ny mino an'i Tompo Allah ary ny sasany kosa tsy mino ka mikomy an'i Tompo Allah. Ka izay miteny hoe : Nahazo Orana izahay nohon'ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindrampony, ary napetrany ho an'i Tompo Allah irery ihany ny fahefana fandatsahana an'izany Orana izany; Dia izany tokoa no tena mino an'i Tompo Allah ilay Mpahary ary mandrindra ny fizotran'izao tontolo izao, ary tsy mino ny tonon'andro. Fa izay Niteny ny hoe : Nanorana ny Andro noho ny kintana izao sy izao; izany dia Mpikomy an'i Tompo Allah, ary mino ny tonon'andro, ka izany dia fikomina kely Satria nolazainy fa nohon'ireo kintana no nahalatsaka ny Orana; ary i Tompo Allah tsy nametraka izany ho antony lalàna sy lahatra. Fa izay mametraka ny filatsahan'ny Orana noho ny tranga miseho eto an-tany sy ny fietsefan'ny planeta amin'ny fiakarany sy ny fihidinany ka mino izy fa izany no manodina azy, ireny dia Mpikomy ary nanao fikomiana lehibe.