Niditra tao amin'i Abo Talib dadatoany ny Mpaminany (S.A.W) raha efa ho faty izy, ary niteny taminy hoe : Dadatoa o, teneno hoe : “Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah”, teny ijoroako ho vavolombelona hiaro anao manoloana an'I Allah. Hoy I Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah : Ry Abo Talib, hiala amin'ny finoan'i Abdol Mottalib rainao ve ianao?! Fivavahana amin'ny sampy izany, tsy nitsahatra niresaka taminy izy roa mandra-pilazany teny farany nolazainy tamin'izy ireo : Manaraka ny finoan'i Abdol Mottalib, ny fivavahana amin'ny fanakambanana sy ny fanompoana sampy. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Hangataka famelan-keloka ho anao aho raha tsy mandrara ahy ny hanao izany ny Tompoko, teo dia nidina ny tenin'I Allah manao hoe: {Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy), na dia havany akaiky aza izy ireo, rehefa niseho tamin'izy ireo mazava tsara, fa olon'ny afobe izy ireny].(Taoba:113). Nidina momba an'i Abo Talib ny tenin'I Allah Tsitoha: {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany. Ary Izy no Mahafantatra indrindra ireo voatari-dàlana].(Kassas: 56), Tsy mitarika izay tianao hotarihina ianao, fa mampita ny hafatra no adidinao, fa Allah no mitarika izay tiany.