Rehefa nipetrapetraka teo amin'ireo Mpanaradiany i Mpaminany (S.W.A) dia Niteny hoe : Amin'io fotoana io esorina ka hanjavona eo amin'ny Olona rehetra ny fahalalana, Ka gaga i Zyad ibn Labÿd Al- Answary (R.D) ary nanontany an'ny Mpaminany (S.W.A), Hoy izy : Ahoana no hovery sy hanjavona eo Aminay ny fahalalana ? ! Nefa Izahay dia namaky Boky masina Koroany, ary efa vitanay tsianjery avokoa izany, miania amin'i Tompo Allah Aho fa ho vakinay ary ampamakinay ireo vady aman-janakay, sy ireo taranaka mandimby Anay, Namaly i Mpaminany (S.W.A) amin'ny fahagagana ka nanao hoe : Nanahirana ny Reninao Ianao O ! Ry Zyàd! Izaho nievitra fa Ianao no anisan'ireo Manam-pahalalana ao Madina ! Avy eo nanazava i Mpaminany (S.W.A) hoe : fa ny fahaverezan'ny fahalalana dia tsy amin'ny fahaverezan'ny Koroany; fa ny fahaverezan'ny fahalalana dia ny tsy fanatanterahana ny Asa, Fa io ny Boky Torah sy ny Evandjily eo ampelatanan'ireo vahoaka ny Djiosy sy vahoaka ny Kristianina, nefa akory tsy nazahoan'izy ireny fahasoavana izany, ary tsy nahatratra ny tanjony akory, izany dia ny fanaovana zavatra amin'izay fantany ihany no ataon'izy ireo.