Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D) Niteny ka nanao hoe : Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina no naniraka Anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr. Sahih/Authentic. - Al-Bukhari
explain-icon

exp

Milaza sy mampahafantatra i Anas ibn Màlik (R.D) : Rehefa nipetrapetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) tao amin'ny Mosque izy ireo dia nisy lehilahy iray niditra miaraka tamin'ny Rameva ka nifatorany, Avy eo nanontany azy ireo hoe : iza Aminareo no Mouhammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka eo amin'ny vahoaka, ka Niteny Izahay hoe : io Lehilahy fotsy mipetraka io, Niteny Taminy ilay Lehilahy : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib, Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) : enoko Anao, ary manontania fa ho valiako. Niteny tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izy : hanontany Anao Aho amin'ny fanontaniana entitra, ka aza tezitra Amiko Ianao. Izany hoe : Aza tezitra Amiko ary aza malahelo, Namaly Izy : anontanio izay rehetra ilainao, Niteny ilay Lehilahy : Manontany Anao Aho ary mifanta sy mianiana amin'ny Tomponao sy ny Tompn'ireo teo aloha, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ho any amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny, tena i Tompo Allah tokoa, fankamafisana ny fahamarinany, Niteny ilay Rangahy ka nanao hoe : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, manontany Anao amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah marina ve no naniraka Anao handidy Anay hivavaka in-dimy isan'andro, ary izany no fivavahana Soalat voadidy, Namaly Izy : Eny, Izy tokoa no Tompo Allah, Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao hampifehy Anay amin'ity volana ity isan-taona ? Izany hoe volana Ramadany, Namaly Izy : Eny, tena Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, fa tena Allah tokoa ve no naniraka Anao amin'ny hamohanay ny ampahany amin'ny harenan'ireo Mpanankarena Aminay dia homena ireo izay mahantra Aminay ? Izany hoe Zakat, Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Eny, fa tena Tompo Allah tokoa, Dia nanaiky ny finoana Islam i Damam, ary nampahafantatra an'ny Mpaminany (S.W.A) fa hiantso vahoakany amin'ny finoana Islam, ary nampahafantatra ny tenany fa Izy tokoa no Damam ibn Tha'labat avy amin'ny foko Sa'd ibn Bakr.

explain-icon

fawaed

  • Fanetren-tena nataon'ny Mpaminany (S.W.A); ka tsy nahavita nanavaka Azy tamin'ireo Mpanaradiany ilay Lehilahy.
  • Ny toetra tsaran’ny Mpaminany (S.W.A) sy ny hatsaram-panahiny amin’ny famaliana ny fanontaniana, ary ny famaliana amin'ny fomba tsara no anisan’ny anton’ny fanekena ny fiantsona.
  • Azo atao ny mampahafantatra ny Olona iray manana fiodirana fotsy, mena, lava, fohy, sy ny toy izany, izay tsy natao hahatonga fahafaham-baraka, raha tsy halany izany.
  • Azo ataon'ny tsy Mpino miditra ao amin’ny Mosque raha misy anton-diany.
  • Tsy voalaza ny fivahiniana masina tao amin'ny Hadithe Satria mety mbola tsy voadidy izany tamin'io fotoana io.
  • Fitiavan'ny Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) ny fampielezana sy fiantsona ny Olona; vao tafiditra anaty finoana Izy dia tapa-kevitra ny hiantso ny vahoakany.
explain-icon

cats

explain-icon

more