Manazava ny Mpaminany (S.A.W), fa ny hatsaram-panahy, ny fahamoram-po ary ny fahatsorana amin’ny teny sy izay atao dia mahatonga ny zavatra iray ho tsara tarehy, tonga lafatra ary mahafinaritra, ary azo inoana kokoa fa ny olona manao izany dia mahatsapa fa nahazo izay ilainy. Ny tsy fananana fahatsorana dia mampihena lanja sy manaratsy ary manakana ny olona hahazo ny zavatra ilainy, fa nadia azony aza ny zavatra ilainy fa kosa tao anatin'ny fahasahiranana.