Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa".
Sahih/Authentic. - Muslim

Manazava ny Mpaminany (S.A.W), fa ny hatsaram-panahy, ny fahamoram-po ary ny fahatsorana amin’ny teny sy izay atao dia mahatonga ny zavatra iray ho tsara tarehy, tonga lafatra ary mahafinaritra, ary azo inoana kokoa fa ny olona manao izany dia mahatsapa fa nahazo izay ilainy. Ny tsy fananana fahatsorana dia mampihena lanja sy manaratsy ary manakana ny olona hahazo ny zavatra ilainy, fa nadia azony aza ny zavatra ilainy fa kosa tao anatin'ny fahasahiranana.

  1. Famporisihana amin'ny fananana toetra malefaka sy ny fahatsorana.
  2. Ny fahatsorana dia mandravaka sy manatsara ny olona iray, ary izany no antony lehibe hahazoany hatsarana rehetra amin'ny lafiny ara-pinoana sy ara-piainana.

Successfully sent!