Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”

Tatitra azo avy amin'i SAHLI IBN SAAD (R.a), Niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari

Milaza zavatra roa i Mpaminany (saw), ka raha mitandrina mafy amin'izany ny silamo dia hiditra any amin'ny paradisa izy. Voalohany : Mamehy ny lela tsy hiteny izay mahatezitra an’I Allah ilay Tsitoha. Ny faharoa : Fiarovana ny taovam-pananahana mba tsy ho latsaka amin’ny fijangajangana. Satria ireo rantsambatana roa ireo dia matetika mampilatsaka ny Olona amin'ny fahotana.

  1. Ny fiarovana ny lela sy ny fitaovam-pananahana dia fomba iray mety hidirana ao amin’ny Paradisa.
  2. Nolazainy manokana ny lela sy ny henatra satria izy ireo no loharanon’ny fahoriana lehibe indrindra ho an’ny olombelona eto an-tany sy ny any ankoatra.

Successfully sent!