Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa Tompo Allah dia nanome ohatra amin'ny làlana mahitsy tsy misy fiolakolahana, amin'ny ilan'ny roa misy tamboho roa izay mandrakotra Azy, io tamboho roa io no fetran'i Tompo Allah, ka manelanelan'ny tamboho ireo dia misy varavarana misokatra, izany dia ireo zava-boarara rehetra. Ary eo am-baravarana misy lambam-baravarana manify, izay tsy hatazanan'ireo Mpandalo ny ao anatiny, ary eo ambaravaran'ilay làlana dia misy Mpiantso manoro azy ireo, milaza hoe : ry Olombelona, midira ao amin'ny làlana Ianareo rehetra, ary aza mivilivily havia na havanana, io Mpiantso io dia Bokin'i Tompo Allah. Ary mbola misy Mpiantso iray hafa eo ambonin'ny làlana; ka io Mpiantso io rehefa misy manana eritreritra hanokatra ny varavarana dia mampitandrina hoe : Lozanao ! Aza sokafana io varavarana io, raha manokatra io Ianao dia hiditra ao ary tsy ho afaka hisakana ny Tenanao tsy hiditra Ianao. Ka ilay Mpiantso eny ambony dia mpananatra ao am-pon'ny Mpino rehetra ".