Nisy lehilahy iray tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niresaka taminy momba ny raharahany, dia hoy izy : “Raha sitrak'Allah sy raha sitrakao.” Nanameloka izany fanambarana izany ny Mpaminany (S.A.W) ary nilaza taminy fa ny fanakambana ny sitrapon'ny zavaboary miaraka amin'ny sitrapon'Allah amin'ny matoan-teny mpampitohy (sy) dia fanompoan-tsampy kely, ary tsy azo ataon'ny mpino silamo ny miteny izany. Avy eo izy dia nitarika azy ho amin’ilay fitenenana marina hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany", ka natokany ho an'Allah irery ihany mpanatanteraka izay sitrany, noho izany dia tsy azo atao ny manambatra sitrapon'ny zavatra iray amin'ny sitrapon'Allah na amin'ny endrika inona na endrika inona.