Manazava ny ampahany amin'ireo zon'ny silamo amin'ny rahalahiny silamo i Mpaminany (saw). Ny voalohany amin'ireo zo ireo dia ny mamaly ny fiarahabana amin'izay miarahaba anao. Ny zo faharoa : Famangiana ny marary sy ny fitsidihana azy. Ny zo fahatelo : Manaraka ny faty avy ao an-tranony ka mankany amin’ny toeram-pivavahana avy eo dia mitohy mankany amin’ny fasana mandra-pandevenana azy. ny zo faha-efatra : Mamaly ny fanasana raha manasa anao amin'ny fampiakaram-bady sy ny hafa. Ny zo fahadimy : Fangataham-pitahina ho an'ny olona mievina, izany dia amin'ny alàlan'ny fitenenana hoe : "YARHAMOKALLAHO" raha avy nidera an'I Allah izy. Ary mamaly ilay mpievina hoe : "Yahdikommolaho Wa yosliho Baalakom", Izay midika hoe : Allah anie hitari-dàlana anao sy handamina ny sainao.