Indray Andro i Muaz bin Jabal (R.A) no nitaingina ny bibiny tao aorian'ny Mpaminany (R.A), ary niantso azy izy i Mpaminany hoe: Ry Muaz? Naveriny intelo ny antsony, ho fanamafisana ny maha zava-dehibe izay holazainy aminy. Ary izany rehetra izany novalin'i Moa'zh (R.A) amin'ny teniny manao hoe : " Eny ry Irak'i Allah, Mihaino anao aho" izany hoe : hamaly antsonao Aho ry Iraki Allah hamaly antso isaky ny miantso, ary mitady fahasambarana amin'ny famalina ny antso. Nilaza taminy Mpaminanyi (S.W.A) fa izay mijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah, izany hoe : Tsy misy Tompo mendrika hotompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany, ary i Mohammad (S.W.A) dia Irak'Allah, marina ao am-pony tsy misy lainga, ka raha maty amin'izany teny izany izy dia ataon'i Allah fady aminy ny Afobe. Ka nanontany azy i Moa'zh (R.A) i Mpaminany (S.W.A) mba hanambara izany amin'ny olona rehetra mba hahafaly azy ireo? Natahotra i Mpaminany (S.W.A) sao dia hananki-doha amin'izany, ka lasa hampihena ny asa ataon'izy ireo. Ka tsy niresahan'i Moa'zh izany raha tsy fotoana kely talohan'ny nahafatesany; fatahorany amin'ny fanafenana ny fahalalana.