I Ibn A'bbàs (R.A) dia mitantara fa tamin'ny izy mbola kely nitaingina niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy izy taminy hoe : Hampianatra anao ireo zavatra izay hanasoavan'Allah anao aho : Arovy Allah amin’ny fitandremana ireo didiny sy ny fisitahana an'ireo fandrarany, mba hahitany anao ao anatin’ny fankatoavana Azy sy ny fanakaikazana Azy, ary tsy ho hitany mihitsy ao anatin’ny tsy fankatoavana sy ny fahotana. Ary raha hanao izany rehetra izany ianao dia ny valisoa omeny anao ny fiarovany anao amin'ny haratsiana eto an-tany sy ny any an-koatra, ary omeny fandresena amin'ny asa ataonao na aiza na aiza ny toerana halehanao. Raha tia hangataka zavatra ianao dia aza mangataka afa-tsy amin’Allah irery ihany, satria Izy irery no mamaly ireo mpangataka. Ary raha mila fanampiana ianao dia mitadiava fanampiana amin’Allah. Ary aoka ho hanana toky feno ianao fa tsy hisy fahasoavana ho tonga aminao, na dia mifarimbona ny hanasoa anao ny olona rehetra ambonin'ny tany, dia tsy hisy zavatra azonao afa-tsy izay efa nosoratan'Allah ho anao, ary tsy hisy loza hanjo anao, na dia nitambatra hanimba anao aza ny olona rehetra ambonin'ny tany, afa-tsy izay efa nosoratan'Allah hahavoa anao. Io raharaha io dia nosoratan’Allah ilay avo Tsitoha ary nalahatrany mifanaraka amin'ny fahendreny sy ny fahalalany, ary tsy misy fanovana amin'izay efa vosaoratr'Allah.