Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa raha miara-mivavaka ny mpino silamo dia roapolo manana amby avo heny noho ny vavaka ataony ao an-tranony na eny an-tsena ny vavaka ataony. Nolazainy avy eo ny anton'izany : dia ny hoe raha misy olona iray midio ary manao izany tsara ka mivoaka ho any amin'ny moske ary tsy nivoaka ny trano raha tsy amin'ny fikasana hivavaka, ka isaky ny mamindra izy afa-tsy hoe ampitomboana arak'izany ny voninahiny, ary nofanana arak'izany ny fahotany. Rehefa miditra ao amin’ny moske izy ka mipetraka miandry ny soalat, dia hahazo valisoa amin’izany izy raha mbola miandry ny soalat no ijanonany , ary ny Anjely mivavaka ho azy raha mbola eo amin’ny toerana izay nivavahany izy, miteny izy manao hoe: “Allah ô, mamelà ny helony, Allah ô, mamindrà fo aminy, Allah ô, mibebaha ho azy”, raha tsy hoe nanapaka ny ozò izy, na manao zavatra manaratsy ny olona na anjely.