Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (RA), Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) manao hoe : “ Manatona ny iray Aminareo i Satana ka Miteny manao hoe : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Koa rehefa tonga amin'izany izy, dia aoka hitady fiarovana amin’i Tompo Allah Ianao ary hitsahatra avy hatrany ".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Mampahafantantra momba ny fitsaboana mahomby amin'ireo fanontaniana betsaka izay bitsibihin'i Satana amin'ny Mpino i Mpaminany (S.W.A). Dia hilaza i Satana : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Iza no Namorona ny Lanitra ? Iza no Namorona ny Tany ? Dia hamaly Azy ny Mpino amin'ny valiny ara-mpinoana sy ara-natiora ary ny ara-tsaina amin'ny Teniny hoe : Allah, Saingy tsy mijanona eo amin’io fetra io anefa i Satana, fa mandroso hatrany mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Fa rehefa tonga amin'izany dia manosika ilay bitsibitsika amin'ny zavatra telo ny Mpino Islamo : Amin'ny finoana an'i Tompo Allah. Ary fangatahana fiarovana amin'i Tompo Allah manoloana ireo Satana. Ary fitsaharana amin'ireo fanontaniana maro izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.

  1. Fanomezan-damosina ny bitsibitsiky ny Satana sy ny voka-dratsiny ary ny tsy fiheritreretana Azy, fitodihana amin'i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha mba hanala Azy.
  2. Izay rehetra miditra ao am-pon’ny Olona iray izay mifanipaka amin'ny lalàna dia avy amin’i Satana.
  3. Fandrarana ny fandinihana an’i Tompo Allah, ary mampirisika amin'ny fandinihana ireo zavaboariny sy ny izay rehetra famantarana Azy.

done