Mampahafantantra momba ny fitsaboana mahomby amin'ireo fanontaniana betsaka izay bitsibihin'i Satana amin'ny Mpino i Mpaminany (S.W.A). Dia hilaza i Satana : Iza no Nahary izao sy izao ? Iza no Namorona izao sy izao ? Iza no Namorona ny Lanitra ? Iza no Namorona ny Tany ? Dia hamaly Azy ny Mpino amin'ny valiny ara-mpinoana sy ara-natiora ary ny ara-tsaina amin'ny Teniny hoe : Allah, Saingy tsy mijanona eo amin’io fetra io anefa i Satana, fa mandroso hatrany mandra-pilazany hoe : Iza no Nahary ny Tomponao ? Fa rehefa tonga amin'izany dia manosika ilay bitsibitsika amin'ny zavatra telo ny Mpino Islamo : Amin'ny finoana an'i Tompo Allah. Ary fangatahana fiarovana amin'i Tompo Allah manoloana ireo Satana. Ary fitsaharana amin'ireo fanontaniana maro izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.