Nandrara zavatra efatra ny Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany dia ny : manakana ny vehivavy tsy handeha lavitra mandritra ny roa andro tsy miaraka amin'ny vadiny na ny iray amin’ireo fady azy, izany dia havany fady azy mandrakizay, toy ny zanakalahy, ray, zana-drahalahy, zanaky ny anabavy, dadatoan-dray, rahalahan-dray, sy ny toy izany. Ny faharoa : Fandrarana amin’ny fifehezana amin'ny andro Eid al-Fitr sy ny Eid al-Adha, na dia fifehezana noho ny voady, na an-tsitrapo, na ny fanonerana trosa. Ny fahatelo : voarara ny manao soalat an-tsitrapo aorian’ny vavaka Asri mandra-pilentiky ny masoandro, ary aorian’ny vavaka maraina Fajri mandra-piposahan’ny masoandro. Ny fahefatra : Voarara ny mandeha any amin’ny toerana ka mino ny fahamasinany sy finoana ny fitomboan'ny fahasoavana azo avy aminy, ankoatra ireo moske telo ireo, koa tsy azo atao ny mandeha any amin’ny toerana hafa mba hivavaka hahazoana fahasoavana, satria tsy hitombo ny valisoa raha tsy ao amin'ireo moske telo ireo dia ny Moske Haram, ny Moske Mpaminany ary ny Moske Al-Aqsa.