Ny Mpaminany (S.A.W) dia nangataka fiarovana tamin'Allah momba ny zavatra efatra taorian'ny tasahhoda farany sy talohan'ny famaranana ny vavaka, ary nandidy antsika izy mba hitady fiarovana amin'Allah amin'izany: Ny voalohany: aamin'ny sazy ao am-pasana. Ny faharoa: amin’ny sazy ao amin'Afobe, ary izany dia amin’ny andro farany. Ny fahatelo: Amin’ny fakam-panahy eo amin’ny fiainana, amin’ny filana eto an-tany izay voarara sy ny zavatra mampisalasala izay manary eo aminy, ary amin’ny fakam-panahin’ny fahafatesana, izany hoe amin’ny ora hahafatesana, amin’ny fialana amin’ny finoana silamo na ny Sonnah, na amin’ny fakam-panahin’ny fasana, toy ny fanontanian'ireo anjely roa. Ny faha efatra: Ny fakam-panahy ataon’ny Mesia sandoka izay hivoaka amin’ny fotoana farany, hotsapain’Allah ireo mpanompony amin'ny alalany, Nitononony manokana izy io noho ny haleben'ny fitsapana hoentiny sy ny famerezana hoentiny.