Nifanta sy nianiana i Mpaminany (S.W.A) fa ny Zinga ao amin'ny dobony amin'ny Andro farany dia ho betsaka noho ny isan'ny kintana sy ny planeta eny amin'ny lanitra. Izany dia miseho amin'ny alina maizina tsy misy volana. Satria tsy hita ny kintana amin'ny alina diavolana, Satria voasaron'ny hazavan'ny volana, ary tsy misy rahona; Satria ny fisian'ny rahona manakana ny Olona tsy hahita ny kintana, Ary ny Zinga ao amin'ny Paradisa, izay misotro amin'ny zava-pisotro misy ao dia tsy hangetaheta mandrakizay, ary izany no farany amin'ny hetaheta izay iainan'ny mpisotro. Ary ny dobony dia misy sakeli-drano roa avy any an-danitra mikoriana ao anatiny, ary mitovy amin'ny lavany ny sakany. Mitovy zoro ny dobo, ny halavany dia mitovy amin'ny elanelan'i Amman, izay tanàna ao Balqua ao SHAMI, mankany Ayla, izay tanàna malaza eo amoron'ny SHAMI. Ny rano ao anaty dobo dia fotsy noho ny ronono, ary ny tsirony dia mamy mihoatra noho ny tantely.