Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona handingana ny toeram-pitsarana ho any amin'ny Paradisa na ny Afobe mandra-panontaniana azy momba ny zavatra maro : Ny voalohany : Ahoana no nandaniany ny fiainany? Ny faharoa : Ny fahalalany, moave notadiaviny noho ny Allah? Niasa tamin’izany ve izy? Nampita izany tamin’ny olona mendrika azy ve izy? Ny fahatelo : Taiza no nahazoany ny volany, halal sa haram? Ary inona no nandaniany an’izany, tamin’ny zavatra ankasitrahan’I Allah sa amin’ny zavatra mahatezitra Azy? Ny fahefatra : Ny vatany, ny heriny, ny fahasalamana ary ny fahatanorany, Ahoana no nanapotehany sy nampiasainy izany?