Nampahafantatra antsika ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy mpitondra hifehy antsika, ary fantatsika ny sasany amin’ny asan’izy ireo, noho izy fantatra fa mifanaraka amin'ny lalàna silamika, ary lavintsika ny sasany amin'izany, satria mifanohitra aminy, Izay mankahala ao am-pony ny ratsy nefa tsy afaka handà izany; Afaka tamin’ny fahotana sy ny fihatsarambelatsihy izy. Ary izay afaka manohitra ny tsy mety amin’ny tànany na amin’ny lelany ka tsy nakasitrahiny ny fanaovan'izy ireo izany, dia afaka amin’ny fahota izy, ary tsy ho anisan'ny mpandray anjara amin’izany. Fa izay faly amin'ny ataon'izy ireo sy manaraka azy ireo dia ho rendrika tahaka ny naharendrika azy ireo. Dia nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) izy ireo hoe : Tsy tokony hiady amin'ireo mpitondra manana izany toetra izany ve isika? Nandrara azy ireo tsy hanao izany izy, ka hoy izy hoe : Tsia, raha mbola manao fivavahana swalat eo aminareo izy ireo.