Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa raha misy Islamo roa mampifanena ny sabany amin'ny alàlan'ny ady, ka samy mikasa izy roa ny handringana ny namany; dia ho any amin'ny Afobe ilay mpamono satria namono mivantana ny namany izy. Nanontany ireo mpiara-diany momba ilay novonoina ka nanao hoe : Ahoana no hidirany any amin’ny Afobe? Namaly i Mpaminany (S.W.A) hoe : Any amin'ny Afobe ihany koa Izy noho ny finiavany hamono ny namany, ary tsy nisy nahasakana azy tsy hamono afa-tsy ny fihazakazahan'ilay mpamono namono azy mialoha.