Nampianatra ny ozò fanaon'ny Mpaminany (S.A.W) i O'thman (R.A), tamin'ny fomba fampiharana avy hatrany mba hazava kokoa, ka nangataka rano tao anaty zinga izy, nandraraka intelo tamin’ny tànany, rehefa avy eo dia natsofony tao anaty zinga ny tànany havanana, dia naka rano izy, nahodidininy teo am-bavany ary navoakany, avy eo dia nisintona ny rano hatrany anaty orony, dia navoakany ka nahisiny, avy eo nanasa ny tarehiny intelo, avy eo nanasa ny tànany hatreo amin’ny kiho intelo, avy eo izy dia nametraka ny tànany lena teo ambonin’ny lohany indray mandeha, dia nanasa ny tongony niaraka tamin’ny kitrokeliny intelo. Rehefa tapitra izany, dia nilaza tamin’izy ireo izy fa nahita ny Mpaminany (S.A.W) nidio tahaka izany fidiovana izany, ary nanome vaovao mahafaly ho azy ireo ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manao ny fidiovana tahaka ny azy, ary mivavaka swalat roa rakaat, manetry tena, manolotra ny fony eo anatrehan’ny Tompony ilay Tsitoha, dia hamaly soa azy Allah noho izany fidiovana tanteraka sy vavaka am-pahadiovam-po izany amin'ny alalan'ny famelana ny fahotany teo aloha.