i Mpaminany (S.W.A) dia mandidy Atsika amin'ny fanovana ny faharatsiana - ka izany dia izay rehetra noraran'i Tompo Allah sy ny Irany - arak'izay fahafahana vitany. Ka izay rehetra mahita ny faharatsiana dia tsy maintsy manova izany amin'ny Tànana Izy raha toa ka manampahefana ny amin'izany. Raha tsy afaka manao an'izany Izy dia aoka ary ny mba hanova izany amin’ny alalan'ny Lelany, izaby hoe : amin’ny alàlan'ny fandrarana sy fisakanana an'ireo Mpanao ny ratsy sy fanazavana Aminy an'ireo loza mety hanjo Azy, ary ny mba mitarika Azy ho any amin’ny tsara ka hiala amin’izao faharatsiana izao. Fa raha mbola tsy vitany ihany koa ilay ambaratonga voalaza io dia aoka Izy hanova izany ao Am-pony amin'ny alalan'ny fankahalana izany faharatsiana izany ary hanapa-kevitra fa raha mahavita manova izany Izy dia hanao izany fanovana izany tokoa. Ary ny fanovana amin'ny alalan'ny Fo no fari-pinoana malemy sy ambany indrindra amin'ny fanovana manoloana ny ratsy rehetra.