Mampahafantatra ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) fa anisan'ireo famantarana lehibe manoloana ny amin'ny fisiany Andro farany dia ny fiposahan'ny Masoandro avy any andrefana fa tsy avy any atsinanana intsony, ary rehefa hitan'ny Olona rehetra izany dia hino avokoa izy ireo. Ka amin'ny izany fotoana izany, dia tsy hahasoa an'ireo rehetra tsy Mpino ny finoan'izy ireo, ary tsy hahasoa azy ireo intsony ihany koa ny asa soa izay nataon'izy ireo na ny fibebahana sy ny fiverenana amin'ny Tompo Allah. Avy eo dia Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny ora farany dia tsy maintsy hiseho sy hitranga ary tsy maintsy ho tonga amin'ny endrika tampoka; ho tonga tokoa izany ary ny Olombelona dia eo ampanaovana ny raharahan'izy ireo sy ny zavatra mahazatra azy ireo andavanandro. Ka ho tonga ny Andro farany, ka ny mpivarotra sy ny mpividy dia samy efa namelatra ny lamban'izy roa avokoa, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray efa naka ny ronon'ny ramevany nefa tsy tafisotro izany akory, Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy dia eo ampanamboarana ny tavin-dranony ka tsy tafisotro izany akory. Ary ho tonga ny Andro farany ary ny lehilahy iray mampiakatra ny sakafony any am-bavany hihinana izany nefa tsy tafihoaniny indray akory ilay sakafo.