Nisy lehilahy avy any ambanivohitra nanatona ny Mpaminany (S.A.W) mba hanoro azy amin'ny asa izay hampiditra azy any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fidirana ao amin'ny Paradisa sy ny fahafahana amin'ny Afobe dia miankina amin'ny fanatanterahana ny andrin'ny finoana silamo, amin'ny fanompoana an'I Allah irery ihany ary ny tsy fampiombonana Azy amin'ny hafa. Ary fanatanterahana ny soalat dimy napetrak’Allah izay nandidiany ireo mpanompony andro sy alina. Ary mamoaka ny zakat amin'ny vola nodidin'I Allah aminao, ary omena an'izay mendrika azy. Ary mitandrina ny fifehezana amin'ny volana Ramadany. Dia hoy ralehilahy : “Mianiana amin’ny alàlan’Ilay manana ny fofon'aiko eny an-tànany aho, dia tsy hanampy ny fanompoana intsony aho afa-tsy izay reko taminao”. Rehefa lasa izy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Izay manampanirina hijery ny olon'ny Paradisa dia aoka izy hijery ity tambanivohitra ity.