Tonga Lehilahy iray teo amin'ny Mpaminany (S.W.A) ary Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, marina tokoa fa efa nanatanteraka ireo fahotana sy ny fahadisoana rehetra ny Tenako, ka tsy misy navelako na kely na lehibe afa-tsy hoe nataoko avokoa izany, Ka moa ve ho hahazo famelan-keloka fona Aho ? Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) ka Nilaza nanao hoe : Moa va tsy efa nijoro vavolombelona Ianao fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary Mouhammadi (S.W.A) dia irakan'i Tompo Allah ? Naverimberiny Taminy in-telo izany, Ka hoy Izy Namaly hoe : Eny Mijoro vavolombelona marina Aho, Nilaza taminy i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahasoavan'izany fijorona vavolombelona roa izany dia ny famafana ireo haratsiana, ary ny fibebana dia mamafa ireo rehetra teo aloha.