Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W.A) Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ! Ny iray Aminay mahatsapa zavatra ao amin'ny Tenany izay manahirana azy, Saingy ny firesahana izany dia mavesatra Aminy, ka aleony lavitra ny harary toy izay hamoaka izany resaka izany. Ka namerina in-droa ny halebeazan'i Tompo Allah i Mpaminany (S.W.A) ary nisaotra azy tamin'ny famerenany ny teti-dratsin'ny Satana any amin'ny faka-panahy fotsiny.