Tonga andiana vahoaka tamin'ireo Mpiaradian'ny Mpaminany (S.W.A) nanontany Azy momba ireo zavatra mavesatra izay tsapan'izy ireo amin'ny Tenany ka sarotra amin'izy ireo ny hanonona izany noho ny haratsiany. Niteny i Mpaminany (S.W.A) : izany zavatra mahazo Anareo izany dia fahamarinan'ny finoana ary fahatokisana feno izay manosika Anareo hanakana ny fanjakazakana ataon'ny Satana ao am-ponareo, ary ny tsy fankasitrahanareo ny teny ka nitazominareo tao Aminareo, Izany dia mifanohitra amin'ireo Olona izay efa nanjakazakan'ny Satana ka tsy hahitàna zavatra ahafan'izy ireo manakana izany intsony.