Nampianatra an'i Ibn Maso'd (R.A) ny Mpaminany (S.A.W) ny Tashahhod izay lazaina mandritra ny vavaka, ary nametrany ny tanany teo aminy tanany roa mba tsy hampivily ny sain'i Ibn Maso'd aminy, tahaky ny nampianariny azy ny sorate iray avy ao amin’ny CORAN, izay manambara fifantohan'ny Mpaminany (S.A.W) amin’io tashahhod io amin’ny voambolana ao aminy sy ny heviny. Dia niteny izy: "Attahyato Lillahi" : Izy io dia teny rehetra na fihetsika maneho fanajana, ary mendrika an’Allah ilay Tsitoha avokoa. "Aswalawàto": Io no vavaka efa fanta-daza izay tsy maintsy atao sy an-tsitrapo ho an’Allah ilay Tsitoha. "Attaybàto": Izy io dia teny sy fihetsika ary toetoetra tsara rehetra mampiseho ny fahalavorariana, ary mendrika an’Allah Tsitoha avokoa. "Assalamo A'laika ayohannabio warahmatollahi wabarakàtoh": Vavaka ho azy mba ho voaro amin’ny fahoriana sy ny loza rehetra ary ny fampitombo sy ny hahamaro ny soa rehetra. "Assalamo a'lainà wa a'là ibadillahi swalihìna": Doan amin'ny fiadanana ho an'ny olona mpanao swalat sy ho an'ny mpanompo mendrika rehetra any an-danitra sy ety an-tany. "Ash-hado An-Là ilàha illalàho": Izany hoe, ekeko ary hamafisiko fa tsy misy tompo marina sy mendrika ho tompoina afa-tsy Allah. "Wa anna mohammadan a'bdohò warasòlohò": Manamafy ny maha mpanompo azy sy ny fitondrany ilay hafatra farany. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) namporisika ny olona hisafidy izay Doan tiany hatao.