Nisy lehilahy jamba nanatona ny Mpaminany ka niteny hoe: Ry irak'Allah ô, tsy manana olona hanampy hitondra ahy amin'ny tànana ho any amin'ny moske mandritra ny vavaka dimy isan'andro aho. Nangataka alàlana tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy tsy handeha moske, ka nomeny alàlana. Ary rehefa nihodina izy dia nantsoina ka nanontanianay hoe: Renao ve ny antso ho amin'ny vavaka (Azan)? Hoy izy : Eny, Dia hoy Mpaminany (S.A.W) hoe : Valio antson'ny mpiantso.