Nandrara ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fitenenan'ny mpino silamo amin'ny teniny hoe : "Raha sitrak'i Allah sy sitrak'i ranona", Na raha sitrak'Allah sy i ranona; Satria ny sitrapon'Allah sy izay tiany dia tsy misy fetrany ary tsy misy miara-miombona aminy amin'izany, Ka ny fampiasana ny matoan-teny mpampitohy etoana dia manambara fa misy hafa mpiara-miombona amin'Allah ary mitovy tantana izy roa. Saingy aoka hiteny izy hoe : Raha sitrak'Allah, avy eo raha sitrak'i ranona, Noho izany dia ataony manaraka ny sitrapon’Allah ny sitrapon’ilay mpanompo amin’ny filazana hoe : “avy eo” fa tsy hoe “sy”, satria ny hoe “avy eo” dia midika ho manaraka sy aorina.