Nanontanian'ny Mpaminany (S.W.A) i Obay ibn Ka'b momba ny andininy ao anatin'ny Bokin'i Tompo Allah, dia nisalasala Izy tamin'ny valiny, avy eo Izy dia Niteny hoe : Ayat Al-Korsy : { Alloahou Là ilàha illà Howale hayuole Qayuòmo }, nanampy Azy i Mpaminany (S.W.A) ary nidomin'ny Mpaminany (S.W.A) tamin'ny Tratrany ho fampahafantarana fa feno fahalalana sy ny fahendrena ny Tratrany, ary nangataka Douan ho Azy mba ho sambatra amin'ny alàlan'ny fahalalana io ary hanamaivana Aminy avokoa izany.