Nanazava ny toe-piainan’ny mpihatsaravelatsihy i Mpaminany (S.W.A), dia toy ny Ondry misalasala izy ireo ka tsy mahalala izay andian’Ondry harahina. Mandeha any amin'io andian'Ondry io izy indraindray ary mankany amin'ny iray hafa ihany koa amin'ny fotoana hafa indray. Fa izy ireo mivadibadika eo anelanelan'ny finoana sy ny fikomiana, ka tsy miaraka miharihary amin'ireo vahoaka Mpino izy ireo no tsy miaraka ankolaka ihany koa, Ary tsy miaraka mivantana ihany koa amin'ireo vahoaka tsy Mpino no tsy miaraka ankolaka ihany koa, fa ny endrika aty ivelany dia miaraka amin'ny vahoaka Mpino, fa ny ao anatiny dia feno fisalasalana tokoa ka indraindray mirona any amin'ny andaniny, ary indraindray mivadika aty amin'ny ankilany.