explain-icon

exp

Manazava ny Mpaminany (S.W.A) fa amin'ny Andro fitsanganana dia ho eo amin'ny dobony Izy hijereny izay Olona tonga avy amin'ny vahoakany hanatona ny dobo, Ary misy andian'Olona eo akaikiny ho voasakana ka hiteny Izy (S.W.A) hoe : Tompo o ! avy Amiko sy amin’ny vahokako iny. Dia holazaina Aminy ny hoe : Fantatrao ve izay nataony taorian’ny Nandaozanao azy ireo ? Mifanta sy miainiana amin'i Tompo Allah ! fa mbola mihemotra sy mivadika amin’ny finoany izy ireo, ka tsy anisan'ny Mpino na koa vahoakanao izy ireo.

explain-icon

fawaed

  • Ny famindram-pon'ny Mpaminany (S.W.A) amin'ny vahoakany sy ny fiahiany azy ireo.
  • Ny loza aterakin'ny fanitsakitsahana ny Sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A).
  • Famporisihana ny hifikitra amin'ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.W.A).
explain-icon

cats

explain-icon

more