Milaza i Mpaminany (SAW) momba ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindram-pony, raha nanao asa tsara ny Mpino Islam nandritra ny fahasalamany sy ny nahateo an-toerana Azy, ka lasa nisy sakana tsy nahafahany nanao an'izany, Ohatra sendra narary Izy ka tsy nahavita intsony, na sahirana tamin'ny fanomanan-dia nataony, na koa fahasahiranana hafa, dia ny valisoany dia voasoratra ho Azy ihany amin'ny endrika feno, toy ny fanaony tamin'ny fahasalamany sy ny mahateo an-toerana Azy.