Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara

Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa AL-AS'ARIO (r.a), fa niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha marary na mandeha lavitra ny Mpanompo iray, dia ho soratana ho azy ny valisoa mitovy amin'izay nataony fony izy teo an-tanàna sy Izy salama tsara ".
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari

Milaza i Mpaminany (SAW) momba ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny famindram-pony, raha nanao asa tsara ny Mpino Islam nandritra ny fahasalamany sy ny nahateo an-toerana Azy, ka lasa nisy sakana tsy nahafahany nanao an'izany, Ohatra sendra narary Izy ka tsy nahavita intsony, na sahirana tamin'ny fanomanan-dia nataony, na koa fahasahiranana hafa, dia ny valisoany dia voasoratra ho Azy ihany amin'ny endrika feno, toy ny fanaony tamin'ny fahasalamany sy ny mahateo an-toerana Azy.

  1. Haleben'ny fahasoavan'I Allah amin'ireo mpanompony.
  2. Famporisihana mba hiezaka amin'ny fankatoavana tanteraka an'i Tompo Allah ary fanararaotana ireo fotoana malalaka sy fahasalamana.

Successfully sent!