Nanao fanekena tamin'ireo mpanara-diany ny Mpaminany (S.A.W) mba hanaiken'izy ireo ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin'ny mora sy ny sarotra, ary amin'ny fotoana mampanana sy mampahantra, na amin'ny mahafinaritra ny nofo na amin'ny halany izany baiko izany, eny fa na dia ny mpitondra fanjakana aza maka ny fananam-bahoaka ho azy sy manampatra ny fahefany, na amin'ny hafa ankoatr'izany, dia tsy maintsy mihaino sy mankatò azy ireo amin'ny zavatra tsara, ary tsy miala ambany fahefan'izy ireo, ny ady atao amin’izy ireo dia ratsy kokoa noho ny loza vokatry ny tsy rariny nataon’izy ireo, ary anisan'ny zavatra nifanaiken'izy ireo dia ny hilaza ny marina na aiza na aiza, amin’ny fahadiovam-po amin’Allah ary tsy matahotra izay hanome tsiny azy.