Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny : Ny Mpaminany dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetitra milaza izy hoe : "Fa ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra." Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim
explain-icon

exp

Tsy tao anatin’ny fitondran-tenan’ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny ratsy na manao asa ratsy, ary tsy niniany na ninia nanao izany izy, satria izy Mpaminany (S.A.W) dia nanana fitondran-tena avo. Ary izy Mpaminany (S.W.A) dia niteny hoe: Ny tsara indrindra aminareo eo anatrehan'Andriamanitra dia izay manana toetra tsara indrindra, amin'ny fanaovan-tsoa, ​​ny famiratan'ny tarehy, ny fifadiana amin'ny fanaovana ratsy sy ny fandeferana amin'izany, ary fifangaroana amin'ny olona amin'ny hatsaram-panahy.

explain-icon

fawaed

  • Ny mpino dia tsy maintsy manalavitra ny fahavetavetana, toy ny teny ratsy sy ny asa ratsy.
  • Fahafenoan'ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka tsy misy mivoaka aminy afa tsy ny asa soa sy ny teny mamy.
  • Ny toetra tsara dia kianja fifaninanana, satria izay tonga voalohany dia tafiditra ho anisan’ireo mpino tsara indrindra sy manampinoana feno.
explain-icon

cats

explain-icon

more