Nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo mpiara-diany ny fahotana lehibe indrindra, ka nilaza ireto telo ireto izy : 1. Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa: izany dia ny fandefasana n'inona n'inona amin'ireo fanompoana ho an'ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny hafa eo amin’ny maha-Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ny ireo Anarany sy ny Toetoetrany. 2. Ny tsy fanajana Ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny Ray aman-dreny, na amin’ny teny na amin’ny fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy. 3. Fitenenana lainga, anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona tsy marina : Izany dia ny teny sandoka sy lainga rehetra natao hanambaniana an’izay iharan’izany amin’ny fakana ny volany, ny fanitsakitsahana ny voninahiny, sy ny rehetra mitovy amin'izany. Namerimberina ny fampitandremana amin'ny fitenenan-dratsy ny Mpaminany (S.A.W) mba ho fanairana ny amin'ny faharatsiana sy ny voka-dratsy aterany eo amin'ny fiaraha-monina, ka nahatonga an'ireo mpanara-diany niteny hoe : Enga anie izy mba hangina, ho fangorahana azy sy fankahalana izay manelingelina azy.