Tatitra azo avy tamin'i Yahya bin Amara Al-Mazini nilaza manao hoe : Nahita an'i Amr bin Abi Hassan aho nanontany an'i Abdollah bin Zaid ny amin'ny ozoò-n'ny Mpaminany (S.A.W), dia nangataka koveta feno rano izy, ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W). Nalainy teo aminy ilay koveta dia nanasa ny tànany in-telo izy, dia natsofony tao anatin'ny koveta ny tànany naka rano ka nihotsam-bava sy nanadio ny orony ary namoaka ny rano avy ao anatiny, tamin'ny rano telo raon-tanana kely, avy eo dia nampidiriny tao ny tànany ary nanasa ny tavany in-telo, avy eo nanasa tànana in-droa hatreo amin’ny kiho, dia nampidiriny tao ny tànany ka nosafoiny ny lohany, teo aloha sy aoriana indray mandeha, avy eo izy nanasa ny tongony hatreo amin’ny kitrokeliny. Sahih/Authentic. - Al-Bukhari
explain-icon

exp

Nanazava ny fomba nanatanterahan'ny Mpaminany (S.A.W) ny ozoò araka ny tokony ho izy i Abdollah bin Zaid (R.A), Nangataka lovia kely misy rano izy. Teo am-panombohana izy dia anasa ny felatànany, ary avy eo dia natongilany kely lovia ka nandraraka rano, dia nanasa azy in-telo teo ivelan’ny lovia. Dia natsofony tao anatin’ilay lovia ny tànany, ka nandraotra rano kely in-telo tamin’izany izy, nanotsam-bava sy nampiditra rano amin'ny orony sy namoaka izany avy eo. Dia naka rano kely tao amin'ny lovia izy ka nanasa ny tarehiny in-telo, Avy eo naka rano kely tao amin'ny lovia dia nanasa ny tànany roa hatreo amin'ny kiho in-droa miatona. Dia nataony tao anaty lovia ny tànany dia nisafo ny lohany tamin’ny tànany roa izy, nanomboka teo anoloan’ny lohany ka tonga tany amin'ny farany, dia naveriny izany mandra-pahatongany tany amin’ilay toerana niaingany. Dia nanasa ny tongony roa izy niaraka amin'ny kitrokeliny.

explain-icon

fawaed

  • Ny fitondran-tenan'ny mpampianatra no fomba akaiky indrindra amin'ny fahazoana sy fampiraiketana ny fahalalana, ary ao anatin'izany ny fampianarana amin'ny fampiharana.
  • Azo atao ny mamerina in-telo ny fanasana ny faritra sasany raha in-droa kosa ny amin’ny faritra hafa, fa ny indray mandeha kosa dia maintsy kosa atao.
  • Tsy maintsy takina ny mandahatra ny fanadiovana ireo rantsana araka ny voalaza ao amin'ny hadith.
  • Faritry ny tarehiny dia miainga avy amin`ny fiandohan'ny volo mahazatra hatramin'ny volom-bava sy saoka ny halavany, ary hatrany amin'ny sofina mankany amin'ny ny sofina ny sakany.
explain-icon

cats

explain-icon

more