Nilaza i Ali Ibn Abi Tàlib (R.A) fa izy dia be Madhi - izy io dia ranon-javatra fotsy madity izay mivoaka amin'ny filahina rehefa te hanao filana na mialohan'ny firaisana-, Ary tsy fantany ny tokony hataony rehefa mivoaka aminy io zavatra io, ka menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) izy, noho izy vadin'i Fatima zanakavavin'ny Mpaminany (S.A.W), Dia niangavy an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba izany, Dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) : mba hanasa ny henatrany avy eo dia manao ozò fotsiny.