Mpaminany (S.W.A) rehefa avy nanao swalat dia miteny hoe : Astaghfirol-loàha, Astaghfirol-loàha, Astaghfirol-loàha. Avy eo manome voninahitra ny tompony ka miteny hoe : "Allàhoumma Antas-salàm wa minkas-salàm Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo". Allah tia filaminana sy lavorary amin’ny toetrany, manalavitra kilema sy ny tsy fahampiana rehetra, ary avy Aminy, mangataka fiarovana aminy amin’ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny any ankoatra ianao fa tsy amin’ny zavatra hafa. Izy no nampitombo ny fahatsarany teo amin’ny tontolo roa, Ilay manana ny fahalehibiazana sy ny fiantrana.