Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa ny asa soa amin'ny folo Andro voalohany amin'ny volana Zhol-hijjat no tsara indrindra mihoatra ny asa soa atao amin'ny andro rehetra amin'ny taona iray. Ary nanontany an'i Mpaminany (S.W.A) ireo Mpiara-diany mahakasika ny ady masina amin'ny fotoana hafa ankoatra ireo folo andro ireo, moave tsara sa ny asa soa atao amin'ny andro folo ireo? Nefa fantatra fa ny ady masina no asa mendrika indrindra amin'ny islam. Dia namaly i Mpaminany (S.W.A) hoe : Ny asa soa atao amin'ny folo andro voalohany ireo no asa tsara indrindra mihoatra ny ady masina amin'ny andro hafa, afa-tsy hoe lehilahy iray izay nivoaka nanao ady masina niaraka amin'ny tenany sy harenany amin'ny làlan'ny tompo Allah, ka tsy misy tafaverina ny harenany ary niala ny fofonainany amin'ny làlan'i Allah. Fa izay ihany no asa soa mendrika sy lehibe mihoatra ny asa soa atao amin'ity folo andro voalohany ity.