Nohazavain'ny Mpaminany (Saw) fa izay rehetra nanao sy nanatanteraka ny fivanianana masina ho an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ka tsy nanao asa mirakitra vetaveta, ary anisany asa vetaveta: toy ny firaisana ara-nofo sy ireo fampidirana amin'izany toy ny fifanorohana sy ny fisafosafona, ary antsoina ihany koa hoe fahalotoana ara-pitondran_tena. Ary tsy nanao fahotana sy ny asa ratsy rehetra maro isan-karazany, Ary anisan'ireo fahalotoana ara-pitondran_tena dia ny fanaovana ireo voarara amin'ny fotoana izay mbola misikina ny lamba atao hoe : IHRAM, ka rehefa niverina avy tamin’ny fanaovana ny Hadjy izay nataony Izy dia voavela avokoa ny fahotana sy ny fahadisoana izay nivitany, ka dia lasa tahaka ny zaza kely voateraka izay tsy nisy ota Izy.