explain-icon

exp

Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay nanome fe-potoana fanampiny olona anànany trosa na koa namela Azy amin'izany trosa izany, valisoany dia : i Allah hanome azy halokaloka eo ambanin'ny seza fiandrianany amin'ny andro farany, rehefa midina hanatona ny lohan'ny mpanompony ny masoandro ary hahery vaika izany, Tsy misy mahazo alokaloka afa-tsy izay omen'Allah alokaloka ihany.

explain-icon

fawaed

  • Fahasoavan'ny fanamorana atao amin'ny mpanompon'i Allah ilay Avo Tsitoha, ary iray amin’ireo antony hahazoana famonjena manoloana ny fahasahiranana lehibe amin'ny andro fitsanganana amin’ny maty.
  • Ny valisoa dia mifanaraka amin'ny asa atao.
explain-icon

cats

explain-icon

more