Milaza i Mpaminany (SAW) mahakasika ny fahadisoam-panantenana sy ny fatiantok'ireo mahery fihetsika - noho ny amin'ny làlana diso sy tsy fahalalana izay nisy tamin'izy ireo, amin'ny raharaha ara-pinoan'izy ireo sy ny raharahan'ny fiainan'izy ireo eto an-tany, ary ny amin'ny teny izay naloakan'ny vavan'izy ireo sy ny asa izay nataon'izy ireo, ka izay nihoatra ny fetran'ny lalàna tamin'izy ireo amin'izay zavatra nandidiana azy ireo arakan'ny lalàna noentin'ny Mpaminany (SAW) tamin'izy ireo